1 Rehefa afaka izany zavatra izany, dia nasandratri Ahasoerosy mpanjaka Hamana, zanaki Hamedota Agagita, ka nomeny voninahitra, Ary ny sezany nataony teo alohanny anny mpanapaka rehetra izay teo aminy.

2 Ary ny mpanomponny mpanjaka rehetra izay teo am-bavahadinny mpanjaka dia nandohalika sy niankohoka teo anatrehani Hamana; fa izany no didinny mpanjaka. Fa Mordekay kosa tsy mba nety nandohalika na niankohoka.

3 Dia hoy ny mpanomponny mpanjaka izay teo am-bavahadinny mpanjaka taminny mpanjaka tamini Mordekay: Nahoana hianao no mandika ny didinny mpanjaka ?

4 Nefa na dia niteny taminy isan-andro aza ireo, dia tsy mba nihaino azy izy, ka nolazainireo tamini Hamana, mba hizahana na haharitra aminny teniny ihany Mordekay, na tsia; fa efa nilaza taminireo izy fa Jiosy.

5 Ary rehefa hitani Hamana fa Mordekay tsy mba nety nandohalika na niankohoka teo anatrehany, dia tezitra loatra izy.

6 Ary nataoni Hamana ho zavatra kely loatra ny haninji-tnana hamely ani Mordekay irery ihany (fa efa nambara azy ny fireneni Mordekay), ka dia nitady handringana ny Jiosy rehetra eranny fanjakani Ahasoerosy koa izy, dia ny fireneni Mordekay.

7 Taminny volana voalohany (volana Nisana izany) taminny taona faharoa ambinny folo nanjakani Ahasoerosy mpanjaka, dia nisy nanao pora (filokana izany ) teo anatrehani Hamana ny aminny isan-andro isan-andro sy ny isam-bolana isam-bolana hatraminny volana faharoa ambinny folo (volana Adara izany).

8 Ary hoy Hamana tamini Ahasoerosy mpanjaka: Misy firenena iray efa miely sy mihahaka eny aminny firenena samy hafa isan-tokony eranny fanjakanao; Ary hafa lalna noho ny firenena rehetra ireny sady tsy mba mankato ny lalnny mpanjaka, Ary tsy mendrika aminny mpanjaka ny hamela azy ho eny;

9 koa raha sitraky ny mpanjaka, aoka hosoratana mba haringana ireny, dia handoa talenta volafotsy iray alina ho eo an-tnanny mpanao raharaha aho ho entina ao ao an-trano firaketanny mpanjaka.

10 Dia nesorinny mpanjaka taminny tnany ny peratra fanombohany ka nomeny ani Hamana, zanaki Hamana, zanaki Hamedota Agagita, fahavalonny Jiosy. 

11 Ary hoy ny mpanjaka tamini Hamana: Homena anao ihany ny volafotsy sy ny olona koa hanaovanao azy araka izay sitrakao.

12 Dia nantsoina ny mpanoratry ny mpanjaka taminny andro fahatelo ambinny folo taminny volana voalohany, ka nosoratana izany araka izay rehetra nandidiani Hamana ho anny solo-mpanjaka sy ny governora taminny isan-tokony araka ny sorany avy, Ary ho aminny isam-pirenena araka ny fiteniny avy; dia taminny anarani Ahasoerosy mpanjaka no nanoratany azy ka notombohiny taminny peratra fanombohanny mpanjaka.

13 Ary ny taratasy dia nampitondrainy ny tsimandoa ho any aminny isan-tokony aminny fanjakanny mpanjaka mba hampandringana sy hampamono Ary hampandripaka ny Jiosy rehetra, na tanora na antitra, hatraminny zaza amim-behivavy aza, aminny indray andro monja, dia taminny andro fahatelo ambinny folo taminny volana faharoa ambinny folo (volana Adara izany), Ary handroba ny fananany.

14 Ny kopenny teny izay natao didy ho aminny isan-tokony aminny fanjakana dia nisokatra mba ho hitanny olona rehetra hampiomana azy ho aminizany andro izany. 

15 Dia nivoaka ny tsimandoa, ka nododonanny teninny mpanjaka; Ary nantsoina tany Sosana renivohitra koa ny lalna. Ary ny mpanjaka sy Hamana nipetraka hisotro, fa ny tao an-tanna Sosana kosa dia very hevitra
